Tarika Rebika : nitotorebika sy afa-po ny mpankafy

Fotoana mamy, niarahan’ny fianakaviamben’ny tarika Rebika omaly, teny Antsahamanitra. Fotoana nanehon’ny tarika ny mety ho endriky ny fankalazana ny faha-35 taonany.

Tontosa omaly, teny Antsahamanitra ny fampisehoana goavana, na­taon’ny tarika Rebika. Tonga maro niara-paly tamin’izy ireo, tamin’izany, ireo mpankafy marobe. “Tatasika an-tsehatra”, io no anarana nentin’ny fampisehoana. Fotoana lavalava no tsy nahitana ny tarika Rebika niaka-tsehatra. Afa-po ny rehetra ary tena nanome ny tsara indrindra avy aminy, na ny mpikarakara, na ny mpandray anjara. Mbola manana ny toerany eo amin’ny kanto malagasy ny tarika Rebika. “Miezaka hatrany mitazona ny maha izy sy ny mampiavaka aza ny tarika. Tsy maintsy manaraka ny zava-misy sy ny fivoarana kosa anefa mba hampitomboana ny fankafizan’ny olo­na”. hoy i Lucien Randria­nina, mpikambana ao amin’ny tarika.

Tsy nifidy saranga na sokajin’olona,nampiraisin’ny fankafizana ny kanton’ny tarika Rebika ny mpankafy tonga. Hira nanodidina ny 40 no nentin’ny mpanakanto nampifalina sy nanomezana fahafaham-po ny mpankafy azy. Nanakoako teny an-toerana ny “Ento aho”, “Tonga ny hafatra”, “Ngeza Mankadiry”, “Lavitra”, “Miredareda”, “‘Ty aho”, “Mbola tsy mora”… Te­na nampitotorebika ny mpankafy koa ny “Dia ahoana”, “Manahoana daholo daholo”, “Edwige”…
Tena niavaka tamin’ny fampisehoana maro natao ny “Tatasika an-tsehatra”. Ani­san’izany ny nahitana indray an’i Rivo an-tsehatra. Ity farany izay efa ela tsy niaraka tamin’ny tarika. Teo ihany koa ny fiverenan’i Heritiana sy Nyx, izay tsy tazana fotoana lavalava. Rebika tamin’ny endriny sy fomba nahafantarana azy hatramin’izay, arak’izany, no nanome fahafaham-po ny mpankafy azy, iny omaly iny.

Lin M.

Partager sur: