Mitohy hatry ny omaly ny fanarahan-dia ataon’ny Tafika sy ny zandary ireo nanapa-doha zazalahy 5 taona tao amin’ny fokontany Ehindy, kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy. Fokontany efatra niara-nihetsika amin’ny mpitandro filaminana manara-dia ireo olon-dratsy. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny ao ambadik’izao heloka mamohehatra izao.
Sinoa iray sy olona roa hafa manaraka fitsaboana vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo tao Morondava, afakomaly. Ny mpanampy azy ireo no niantefan’ny ahiahy voalohany. Voalazan’ny loharanom-baovao any an-toerana fa efa tsy hita popoka. Anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana, ankehitriny.
Tokantrano iray norobain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana tao Soamahamanina Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro teo. Lasan’ny olon-dratsy ny vola roa alina sy ny finday. Tsy nisy ny aina nafoy. Efa mandeha ny fikarohana ny jiolahy ataon’ ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Jiolahy iray saika hiditra an-keriny tamina tokantrano iray eny Ambohijatovo, ny sabotsy hariva teo. Tsy eto an-toerana ny tompony fa any ivelany ary efa misy mpiambina manokana ity tanàna ity. Nikasa hangalatra tao ity jiolahy ity, kanjo izao tratra izao.