VELIRANO FAHA-5 : vita ny CSB II Manongalaza

Natolotry ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ho an’ny vahoakan’Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo, ny CSB II manara-penitra ao Manongalaza. Toeram-pitsaboana hiasa sy handray marary avy hatrany. Fitaovana vaovao sy raitra avokoa no ampiasaina ao amin’ity CSB II ity, araka ny fanazavana. Anisan’izany ny efitrano fiterahana, manana fitaovana arifomba fanaraha-maso ny fahasalaman’ny zaza « monitoring », manampy ireo ny vata fampangatsiahana fitehirizana fanafody.
Marihina fa nahazo fitaovana vaovao raitra ity CSB II ity, toy ireo fitaovana samihafa azo ampiasain’ny mpiasan’ny fahasalamana manao vaksiny mitety tanàna. Maimaimpoana ny fizaham-pahasalamana. Misitraka ny « fonds d’urgence » na ilay fandraisana an-tanana maimaimpoana ny fitsaboana vonjitaitra ihany koa ny marary tonga ao amin’ity toeram-pitsaboana ity.
Ilain’ny vahoaka ny tolotra tahaka izao hanamaivana ny fahasahiranana amin’ny fikarakarana ny fahasalamana.

Vonjy A.

Partager sur: