Basikety – JIOI 2023 : voaantso handrafitra ny Ankoay 5×5 sy 3×3 i Livio, Elly, Arnol

Fantatra ny alahady lasa teo, ny anaran’ireo atleta Malagasy hiaro ny voninahi-pirenena, taranja Basikety 5 x 5 sy 3 x 3, mandritra ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023.

Hanomboka afaka sivy andro ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika fifaninanana amin’ny taranja basikety 3 x 3 sy 5 x 5, lahy sy vavy, ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB). Voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena amin’ny 3 x 3 sy 5 x 5, Ratianarivo Livio sy Randria­mampionona Elly ary Arnol Solondrainy.
Tsiahivina fa izy telo mirahalahy ireo, niatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 3 x 3, izay notontosaina tany Autriche, ny 30 mai – 5 jona lasa teo. Ny ekipam-pirenen’i La Réunion no hifanandrina amin’i Ankoay lahy, ny andro voalohany amin’ny JIOI 2023, ny 26 jolay ho avy izao, raha toa ka ny Nosy Maurice ny an’ny vehivavy.

Fitia

Lisitr’ireo Ankoay JIOI 2023 :

Lehilahy
5 x 5 :
Randriamampionona Elly, Ratianarivo Livio, Ravelomanantsoa John, Robimanana Orlando, Rija Lahontan, Rabibisoa Jerry Pépin, Monja Faralahy, Rakotovao Marco, Andriatsiamialona Cedric, Rakotonirina Fiary, Solondrainy Arnol, Mandimbisoa Fabrice.
3 x 3 :
Ratianarivo Livio, Randriamampionona Elly, Solondrainy Arnol, Rick-Ley Loubacky
Vehivavy :
5 x 5 :
Mampionona Miora, Raoliarisoa Fanjatiana, Raherimanana Emeranchine, Christiane Jaofera, Hajanirina Muriel, Rakotobe Kristina, Andriatahina Angela, Andriamihajanirina Sydonie, Ranarisaona Elinah, Jessica Vavisoa, Randriatahiana Sarobidy, Rasoafinaritra Avotra.
3 x 3 :
Andriamihajanirina Sydonie, Muriel Hajanirina, Raherimanana Rondro, Christiane Jaofera.

Partager sur: