Misy karazana Covid-19 vaovao antsoina hoe « Eris » any Frantsa, voatily tamin’ny 34% amin’ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina any an-toerana. Avy amin’ny Omicron ihany izy ity ary mora mifindra sy miova, araka ny vaovao. Tsy mahomby 100% koa ny vaksiny efa natao hiarovana amin’ity tsimokaretina ity na manana hery fiarovana matanjaka aza ilay olona. Anisan’ireo sokajy arahi-maso, nanomboka ny tapaky ny volana jolay teo, i Eris , hoy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS).
“Efa nahitana azy koa tany India, Eoropa sy Amerika avaratra. Tsy mahery vaika aloha ny fisehony hatramin’izao nefa ahina ny fiovany ka hivadika ho sokajy vaovao matanjaka”, hoy ny tale jeneralin’ny OMS, Tedros Ghebreyesus.
Ny faritra any atsimo andrefan’i Frantsa no nahitana tranga Covid-19 Eris maromaro. Niverina, vokatr’izany, ny fitondrana arovava orona any Gironde. Somary sahirana ny mponina satria efa nialana ny fampiharana ireo fepetra sakana mahazatra. Betsaka ny fety toy ny fête de Bayonne (Pyrénés-Atlantique) nahavory olona ka niteraka ny fifampikasohan’olona marobe, antony tombanana nisehoan’ny sokajy vaovao.
Vonjy