« Drafitrasa Fia mora » : Jifaina 4 000Ar ny kilaon’ny trondro

Mbola ambany ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy hazandrano noho ny tsy fahefa-mividy sy ny antony samihafa. Natomboka eto an-drenivohitra sy haparitaka amina faritra maro ny drafitrasa « Fia mora », hanovana sy hampirisihina ny fihinanana trondro.

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ilay drafitrasa « Fia  mo­ra » hanampiana sy hampirisihina ny Malagasy hihinana trondro. Vidiana 4 000Ar ny kilaon’izany, hampakarana ny tahan’ny fihinanana hazandrano eto amintsika, indrindra ho an’ny eto afovoantany. Atom­boka amin’ny andrana, mandritra ny roa volana, ny hetsika ho an’ny eto Antananarivo. Ho hita eny amin’ny toeram-pivarotana Sopromer Be­masoandro, Tanjombato, Am­bo­dinisotry, Ankazomanga, Ambohitrarahaba ary Ambo­hipo ireo karazan-trondro “Dri­hy” sy “Tretreky” amin’ny vidiny 4 000Ar. Fantatra fa mbola ambany ny tahan’ny fihinanana hazandrano eto amintsika, antony nahatonga ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga nanao ity drafitrasa ity. Sakafo ara-pahasalamana sy misy “protéine” ary mitondra otrikaina avo fito heny manoloana ny fihinana hena, ny trondro. Tanjona ny hetsika ny hanova ny fahazaran’ny Malagasy ny fihinanana trondro ho lasa 11kg isan’olona isan-taona raha toa ka 5kg isan’olona izany.
Fifanarahana
Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny orinasa Sopromer ary ny Vondrona Refrigépêche izao hetsika izao. Drafitrasa mahakasika ny famatsiana sy varotra hazandrano mora ho fitsinjovana ny mpiara-belona. Mbola ambany mantsy ny fihinanana hazandrano eto Madaga­sikara raha oharina amin’ireo firenena hafa noho ny tsy fahefa-mividy. Fantatra fa hiparitaka amina faritra hafa ny hetsika ka hanaovana antso avo amin’ireo orinasa hiara-hisalahy hanao izany.

Henintsoa Hani.

Partager sur: