Miara-miasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), sy ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny fandaharanasa « Rindra », ao anatin’ny Fed andiany faha-11. Entina hiarovana ny tontolo iainana sy ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny fiaraha-miasa. Manana tanjona hametrahana fandrindran’asa hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy ny minisitera. Hanatanterahana izany ny tohana ataon’ny UE ao anatin’ny fandaharanasa.
Napetraka ny alatsinainy 14 aogositra teo ny vatofototra, hananganana birao vaovao eny Ampandrianomby, nomena ny anarana hoe « Tranon’ny diplaomasia maitso ». Manana endrika enina lafy izany. Miavaka koa satria hisy ny fotodrafitrasa manokana hitatazana sady hitahirizana ny ranon’orana. Eo koa ny angovo azo havaozina. Haharitra dimy volana ny fananganana azy.
Nambaran’ny minisitry ny Medd, Vina Marie-Orléa, fa hampiasaina handrindrana ireo asan’ny minisitera miompana amin’ny tontolo iainana sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka ny Tranon’ny diplaomasia maitso.
Njaka A.