Iandrasana ny fialan’ny filoha Rajoelina ny kongresy, hoy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery. “Mangataka ny firotsahan-kofidin’ny filoha Rajoelina ny olona. Dinihina izay tena mahatsara azy. Mametra-pialana izy rehefa mirotsa-kofidina, any ve no tsaratsara kokoa? Mahafinaritra rehefa eo ilay olona amin’ny fanaovana kongresy”, hoy izy.
Hanambara tsy ho ela ny haha kandidà azy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, raha ny fantatra tany Matsiatra Ambony, tamin’ity herinandro ity. Hanao fanambarana manoloana ny raharaham-pirenena koa ny tenany. Hatao ny 31 aogositra izao izany amin’ny toerana tsy mbola voafaritra. Nihaino ny hetaheta sy ny olan’ny vahoaka ny tenany nandritra ny Mihava Tour.
Antoko 22 no efa nanao sonia ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena ho an’ny antoko sy kandidà hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika, eny amin’ny foiben’ny FES, Ankadifotsy. Fantatra fa amin’ny 23 aogositra ho avy izao no havoaka amin’ny fomba ofisialy io sata fitsipi-pitondran-tena io. Amin’izany no hafampahafantarana amin’ny vahoaka izay raketiny.
“Tokony hisy lalàna mifehy ny vola atokan’ny kandidà ho amin’ny fifidianana”, hoy ny eo anivon’ny firaisamonina sivily, CCOC, Razafimbelo Lily. Hita tamin’ny fifidianana teo aloha fa mitobaka loatra ny vola, tsy mazava, tsy mangarahara. Mety vola tsy madio no hampaisain’ny kandidà sasany. Nangatahan-dry zareo izay lalàna izay.