Faritra Anosy : nohamafisina ny fahaiza-manao momba ireo sehatra asa tekinika

Nikarakara fampiofanana ireo sehatra asa tekinika sivy ny Tekfutura. Nampahafan­tarina ny herinandro lasa teo, tany amin’ny faritra Anosy, ny antontan-kevitra enti- manofana momba izany. Notantera­hina teny amin’ny misinitry ny varotra sy ny indostria tany Taolagnaro ny lanonana ofisialy. Tafiditra ao anatin’ny tondrozotra sy dingana hampivelarana ny sehatra asa teknika eto Madagasikara ny hetsika. Nisitraka izany ireo tanora maro avy ao amin’ny faritra Anosy sy teo anivon’ny orinasa QMM-Rio Tinto. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny rehetra eo amin’ny sehatry ny asa. Mba hahombiazana sy hahalasa azy ireo ho matihanina ary hifaninana eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena. Maneho ny fahavononany hampivelatra ny fahaizan’ny tanora any amin’ny faritra Anosy ny QMM-Rio Tinto. Afa-po amin’ny fanatsarana ny fampiofanana ny sehatr’asa tekinika iha­ny koa izy ireo. Manova ny toe-karena eto Madagasikara sy manome asa ny tanora ary mamaly ny filàna eo amin’ny tsenan’ny asa ihany koa. Voa­kasik’izany ny sehatr’asa ma­ro (mpandrafitra, mpandoko, mpandraharaha, teknisianina eo amin’ny mekanika indostrialy, elektrisianina… ). Lasa ambanin-javatra matetika ny fananganana sy fikojakojana ny fotodrafitrasa eto an-toerana. Ezahina hitarina ho an’ny tanora manerana ny Nosy ny fiofanana ary lasitra hiaingana ity natao tany Taolagnaro ity.

Mino

Partager sur: