INDRAY MIJERY

Hanao fivoriana sy fitokonana eny amin’ny Esplanade Ankatso ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny sendikà, rahampitso. Hijery ny tohin’ny hetsika fitakiana samihafa izy ireo. Mitsahatra ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, miandry ny famitana ny taom-pianarana 2022-2023.

Mahatratra 15 000 ireo tokantrano misitraka ny “Ankohonana Miatrika” ao Antsiranana. Vola 250 000Ar isan-tokantrano no sitrahina amin’izany. Fandaha­rana­san’ny governemanta malagasy ho fiahiana ireo mpiara-belona marefo noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny fiatrehana ny fampidirana mpianatra ny “Ankohonana Miatrika”.

Marolafy ny vokatsoa entin’ny fanadiovana ny lakandrano C3, ataon’ny tetikasa Produir, eto Anta­nanarivo. Anisan’izany ny fihenan’ny trangana tondradrano, fihenan’ny aretina vokatry ny loto, fanatsarana ny rafitry ny tanàna, fahadiovan’ireo toerana malaza…Ho avy ny fotoam-pahavaratra ka hihena ny toerana safodrano.

Ho an’ny volana aogositra, vinavinaina hahazo rotsakorana hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy ny faritra Diana, Sofia (sisiny avaratra), Analanjirofo (sisiny avaratra), Sava, Boeny, Melaky, Menabe, Bongolava (tapany avaratra), Betsiboka (tapany andrefana), Anosy (Taolagnaro), Atsimo Andrefana (sisiny avaratra-andrefana) ary Atsimo Atsinanana.

Partager sur: