Olona iray maty… : kamiaobe nifandona tamin’ny taksiborosy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) mihazo an’i Mahajanga, omaly vao maraina. Kamiaobe iray no nifandona tamina taksiborosy Sprinter, teo amin’ny tetezan’Andranofeno Avaratra, distrikan’Ankazobe. Vokany, raim-pianakaviana iray nandeha tamin’ilay taksiborosy namoy ny ainy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandarimaria, avy any Mahajanga hihazo an’Antananarivo ity kamiaobe ity. Voalaza fa nanana olana teo amin’ny tsindrihisatra ilay kamiaobe ka tsy voafehin’ny mpamily intsony. Teo am-pivoahana ny tetezana ny mpamily no nifaoka ilay taksiborosy Sprinter. Tsy afa-niala intsony rahateo koa ilay taksiborosy. Samy niara-nivadika ireto fiara nifandona ireto. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray raha vehivavy iray kosa naratra mafy. Voadona teo amin’ny lohany sy ny tanany koa ireo mpandeha hafa saingy avotra soa aman-tsara avokoa. Naratra ihany koa ilay mpamilin’ny kamiaobe sy ny mpanampy azy. Henjana ny fahavoazana satria potika tanteraka ireto fiara nifandona ireto. Nentina haingana namonjy hopitaly ireo naratra. Toerana ahitana lozam-pifamoivoizana matetika eo Andranofeno Atsimo sy avaratra, RN4, iny ka tsy misy tsara afa-tsy ny fitandremana ihany.

J.C

Partager sur: