Misaona ny tontolon’ny indostria malagasy. Nodimandry ny alatsinainy lasa teo, teo amin’ny faha-86 taonany ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “savonnerie tropicale”, Ramaroson André. Tsy zoviana amin’ny rehetra ny anaran’ity mpandraharaha ity. Mpamaky lay amin’ny fananganana orinasa mpanao savony teto Madagasikara izy. Mpandraharaha niady hatrany ho an’ny fampandrosoana ny orinasa malagasy. Nanandratra avo ny fahaiza-manaon’ny Malagasy sady manome lanja ny vita malagasy izy. Naneho ny alahelony amin’izao fahalasanan’ny namana mpiara-dia aminy izao ny sendikàn’ny indostria eto Madagasikara (SIM). Angady nananàna sy vy nahitana ny firoboroboan’ny indostria malagasy tokoa Ramaroson André ary anisan’ny nanangana ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA).
Rehareha
Orinasa anisan’ny nanana ny lazany aty Afrika ary reharehan’ny firenena malagasy ny “savonnerie tropicale”. Niorina ny taona 1967 ity orinasa mpanao savony ity ary notokanan’ny filoham-pirenena Philibert Tsiranana ny 1969. Niara-niasa ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampandrosoana ny firenena sady hampiroboroboana ny indostria malagasy. Nanangana ny « Conseil national économique et social de la société civile » (conecs) ny filoha tale jeneralin’ny « savonnerie tropicale ». Nitolona hatrany ny hananan’ny orinasa malagasy anjara toerana eo amin’ny fampandrosoana ny firenena, nivoizany ny « patriotisme économique ».
Henintsoa H.