SOMBIM-BAOVAO

Kitra amboaran’ny filoha. Tsy tafavoaka tao amin’ny vondrona B ny ekipa voafantin’i Boeny, tompondaka farany, fifaninanana « Coupe du Président ». I Antsiranana sy i Fianarantsoa no miatrika ny lalao manasa-dalana. Araka izany, ny ekipa voafantin’Antsi­ranana no hifanandrina amin’Antananarivo eo amin’ny dingana manaraka.

TMF Rally. Norombahan-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambololona Mahenintsoa, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny fiodinana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ny alahady lasa teo, teny Ivato. Novitain’izy mirahalahy tao anatin’ny ora 1 sy 35 minitra ary 30 segondra ny halaviran-dalana 131, 37 km.

Fifidianana anivon’ny ligy. Voafidy ho filoha ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, Rakotomarolafy Tanjona. Fifidianana natao ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Epp Ramonja. Marihina fa kandidà roa no nifaninana raha toa ka telo ihany ny isan’ny seksiona mpifidy.

Lalaon’ny Nosy 2023. Hotanterahina ny alakamisy 24 aogositra ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, ny fihaonan’i Madagasikara sy i Seychelles, taranja baolina kitra. Raha ny vaovao voaray, amin’ny 7 ora hariva no hanombohan’ity fifanandrinana ity. Efa anatin’ny fanomanana tanteraka ny Barea, ekipam-pirenena malagasy.

Partager sur: