Manaraka fitsaboana i Fanaiky. Tsy nandray anjara tamin’ny “Jazz @ Tohatohabato izy, noho ny antony ara-pahasalamana. Nahatsiaro azy kosa anefa ny fianakaviamben’ny jazz sy ireo mpankafy mozika rehetra ny alahady teo, tetsy Analakely. Nisy ny fitia tsy mba hetra nifanentanana, hanampiana ity mpanakanto ity amin’ny fitsaboana arahiny.
Nomem-boninahitra i Bivy. Notokanana ny faran’ny herinandro teo, tany Morondava, ny tsangambato natokana ho azy. Mpanakanto mpamorona sy mpihira ary mpitendry anisan’ny nampiaka-daza voalohany ny gadona kilalaky izy sy ny tarika Tsivery izay notarihiny. Teknisianina mpikirakira ny feo koa ary nanangana ny “Génération Mars”.
Manomboka mahazo laka eo amin’ny filalaovana tantara eny an-tsehatra ireo mpilalao tantara amin’ny Radio. Misy amin’izy ireo no efa ao anatina tarika na fiombonana iray. Amin’ny ankapobeny, ny tantara lalaovina any amin’ny Radio no lalaovina eny an-tsehatra. Anisan’ny mahaliana ny mpijery kosa ny mahita mivantana ny endrik’ireny mpilalao tantara ireny.
“Beat Box Battle Madagascar 2023”. Tanterahina ny 24 septambra 2023, ao amin’ny CGM Analakely, ny fifaninanana nasionaly, eo amin’ny Beat Box. Misokatra ny 26 aogositra 2023 ny fisoratana anarana. Matihanina sy kalaza eo amin’ny Beat Box no hitsara ny fifaninanana, anisan’izany i Do be sy Madox, izay samy efa tompondaka eran-tany teo amin’ity taranja ity.