Tetikasa tafita : hiditra amin’ny andiany fahatelo

Nitondra vokatra miabo ho an’ny fanabeazana fototra ny fampiharana ny tetikasa “Tafita” tao anatin’ny taona maromaro. Hiditra amin’ny andiany fahatelo izany, ankehitriny.

Nanomboka ny taona 2016 ny tetikasa “Tafi­ta”, andiany voalohany, teto Madagasikara. Efa andalam-pamaranana kosa ny tetikasa andiany faharoa amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hampandrosoana ny fanabeazana eny ifotony Ao anatin’izany ny fametrahana ny “Fa­rimbon’ezaka ho fahombiazan’ny fanabeazana ifotony” (FEFFI) eny anivon’ny sekoly. Misy ny fananganana ny kilasy garabola sy ny fanatanterahana fampianarana hanarenana ny mari-pahaizan’ireo mpianatra na « cours de remise à niveau », ary ny fampisakafoana an-tsekoly. Faritra 11 eto Madagasikara no voakasiky ny tetikasa : Vakinanka­ra­tra, Analamanga, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Bongola­va, Betsiboka, Atsinanana, Itasy, Amoron’i Mania, Diana, ary ny faritra Melaky.

Nahitana fahombiazana ny tetikasa. Hotohizana amin’ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Theophil sy ny mpisolo tenan’ny sampandraharaha japoney misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (JICA), Nobu­hiro Kunieda ny andiany fahatelo.
Anisan’ny vokatra nisongadina ny tombana vakiteny taom-pianarana 2022-2023 tamin’ny faritra 11. Nahitana taham-pivoarana 28% ny fa­hafehezana ny vakiteny malagasy, mpianatra kilasy T2 sy T5 miisa 1 015 330, avy amin’ny sekoly miisa 10 596. Mpiara-miombon’antoka maro no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa “Tafita”. Mamatsy vola ny Unicef sy ny “Agence Fran­çaise de développement” (AFD). Efa andalam-panomanana ny tetikasa andiany fahatelo taorian’ny fifanaovan-tsonia. Hiroso amin’ny dinikasa ny roa tonta.

Vonjy

Partager sur: