Tsy faly ny fokonolona: nanafika biraon’ny zandary, sivily efatra maty voatifitra

Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy roa voalaza fa dahalo. Tsy faly ny namany. Nanafika borigadin’ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana. Efatra hafa namoy ny ainy.

Olona efatra maty, nisy naratra noho ny fifampitifirana teo amin’ny zandary, niaro ny biraony sy ny fokonolona mpanafika, tao amin’ny kaominina Tsima­zava, distrikan’i Mahabo, faritra Menabe, ny 11 sy 12 aogositra teo. Tsy nankasitraka ny fahafatesan’ny roa lahy voalaza fa dahalo izy ireo ka namaly faty nanafika ny borigadin’ny zandary. “Nitondra lefona sy basy. Nitsoaka kiririoka sy nitifitra ny zandary tao amin’ny borigady ny andian’olona an-jatony ny zoma atoandro”, hoy ny kaomandin’ny toby izay voatafika. Valo mirahalahy no nifanehatra tamin’ny fokonolona: zandary dimy, olon-tsotra ny telo.
“Voatifitra teo noho eo ny roa tamin’ireo mpanafika ka maty. Naratra, voa teo amin’ny tratrany ilay olon-tsotra na ilay menalamba iray nanampy anay”, hoy hatrany ny lehiben’ny borigady. Tsy afa-po mbola niverina nihantsy ny mpitandro filaminana indray ny andian’olona ny sabotsy maraina. “Niampy roa indray ny dahalo maty voatifitray”, araka ny fanamafisan’ny kaomandin’ny borigady ao an-toerana.
Nitsoaka nandositra ny andian’olona nanafika zandary rehefa tsy nahatohitra. Nandefa mpitandro filaminana nanampy ny zandary ao Tsimazava, nifehy ny toe-draharaha ny OMC Morondava. Efa nilamina ny toe-draharaha ao an-toerana hatry ny omaly nanaovanay ny fanadihadiana.
Namono zandary
Nanao hetsika manokana hanafoanana ny asan-dahalo ny zandary ny zoma 11 aogositra. Dahalo roa lahy no maty voatifitra tao amin’ny kizo iray, 20 km, miala ny tanànan’i Tsimazava. Taorian’izany nirohotra nanafika biraon’ny zandary ny andian-jiolahy, hamaly faty. Voalaza fa efa nahafaty zandary tamin’ny taon-dasa ny lehiben’izy ireo.
“Tena dahalo mpangalatr’omby ny iray. Mpanadio omby halatra ny iray”, hoy ny fanazavan’ny kaomadin’ny Vondron-tobim-paritra Moron­dava, omaly, azo an-telefaonina. Fomba fiadin’ny dahalo ao an-toerana ny manakalo ny omby halatra amin’ny olona manana omby madio. “Mbola nikononkonona halatra omby ireo roa lahy ka lavo rehefa tratra”, hoy hatrany izy.

Tsiferana R.

Partager sur: