Nametrahana jiro cobra eny Ankorondrano sy eny amin’ny village Voara Andohatapenaka, entina hanazavana ny lalana hivezivezen’ny rehetra, indrindra amin’ny alina.. Maro anefa ireo faritra niharan’ny fahatapahan’ny herinaratra, omaly. Betsaka ireo mpiara-monina nitondra faisana indray amin’ny hafitsoky ny orinasa Jirama.
Kaoperativa amina kaominina 13 avy ao Bongolava no notolorana zezika «sulfate d’ammonium» sy NPK 12.4.12. Asa niarahana tamin’ny tetikasa IRM sy ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Natao izao mba hanampiana ny tantsaha amin’ny famokarana sy fihariana ataony.
Hivadika seranam-piaramanidina iraisam-pirenena afaka andro vitsy ny seranam-piaramanidina Toliara Ankoronga. Efa any an-toerana ny delegasiona avy amin’ny ADEMA mikarakara sy manomana ny fanokanana ny fotodrafitrasa vaovao. Hotokanana afaka andro vitsy ny « base du service de sauvetage et de lutte contre l’incendie-(SSLI) ».
Niroso tamin’ny fanasoniavana ny bokin’andraikitra ireo tanora mpisitraka ny tetikasa titre vert, andiany voalohany, ao amin’ny faritra Itasy, ny zoma teo. Manodidina ny 23ha ny velaran-tany voaasan’ny fitondram-panjakana raha 5ha kosa no efa voavoly voamanga mavo, hiatrehana ny taom-pamokarana. Misy ny famatsian-drano ataon’ny fanjakana.