« Volana iray, mpanoratra iray » : homarihina ny faha-100 taona nahaterahan’ i Nirhy-Lanto

Teraka ny taona 1923 ary nodimandry ny taona 2004. Na tsy eo intsony aza, homarihina amina hetsika maro ny faha-100 taonan’i Nirhy-Lanto.

Rakotonindrina Charles Victor no tena anarany. Solon’anarana maro no efa nosalorany teo amin’ny sehatry ny literatiora: Nirhy-Lantoson, Bruno Rahaingo, Pika Harisoa, Mamy rahanitra, Rado Tiana, sns. Naha­fantarana azy indrindra kosa ny Nirhy-Lanto, ary nampitondrainy izany avokoa ireo zanany. Feno 100 taona amin’ity 2023 ity ny nahaterahan’ity mpanoratra, poeta, mpamoron-tantara ity, izay efa nitana andraikitra ambony maro teo amin’ny firenena ihany koa.
Nametraka lova tsy lany hamamamiana i Nirhy –Lanto, raha teo amin’ny sehatry ny literatiora, ka tsy havelan’ireo taranany handalo fotsiny ny faha-100 taonany. Miara-manomana ny fankalazana amin’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina izy ireo, ka raikitra fa haompana amin’i Nirhy-Lanto ny “Volana iray, mpanoratra iray” amin’ity. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy, anio, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena , izany. Aorian’izay, hosokafana ihany koa ny fampirantiana momba ity andrarezin’ny soratra ity, eny amin’ny Trano Sary Ambohidahy.
Tsiahivina fa efa nisy ny fifaninana asa soratra, nanombohana ny fankalazana. “Loka Nirhy-Lanto 2023, andiany fahadimy – Am­boaran-drindrambolana” no anarany. “Ho an’ny tanindrazana, ho an’ny tenin-drazana” ny lohahevitra nosafidiana iompanan’ny fifaninanana, izay efa nikatona tamin’ny sabotsy 29 jolay teo. Ho fantatra mandritra ity hetsika “Volana iray, mpanoratra iray” ity kosa izay nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana. Ankoatra ny fampirantiana momba ny mpanoratra sy ny asa sorany, hisy ny fifanakalozana amin’ny fianakavian’i Nirhy-Lanto, izay saika ao anatin’ny tontolon’ny literatiora avokoa. Eo ihany koa ireo izay nandalina ny asa sorany, ka hampahafantatra bebe kokoa izany.

Zo ny Aina

Partager sur: