Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fankalazana ny faha-100 taonan’i Nihry Lanto. Vory tao amin’ny Tranombokim-pirenena ny fianakaviana, notronin’ireo solontenan’ny fikambanan’ny mpanoratra sy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Izy ireo no toko telo nahamasa-nahandro ny fankalazana, ho fampahafantarana ny mpanoratra sy ny sanganasany ho an’ny mpiara-belona rehetra.
“Mendrika hampitaina amin’ ny vahoaka malagasy ny toe-tsaina nananany. Tsy navelan’ity mpanoratra ity hozimbazimbaina ny teny malagasy, izay mahalaza ny ventsoventsom-pony iray manontolo, araka ny voasoratr’i Nihry-Lanto”, hoy ny ampahan-dahatenin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, nandritra ny lanonam-panokafana ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray”, mifantoka amin’i Nirhy-Lanto sy ny sanganasany.
Fotoana izay nampahafantarana ireo nandresy tamin’ny fifaninanana “Loka Nihry-Lanto” 2023 ihany koa io. Nibata ny fandresena, araky ny filaharany: Ranarivelo Harilala, Randriamisetra Tovoharidera, Rakotonanahary Jean ary R’Abel Ransedralalao. Nifototra tamin’ny lohahevitra “Ho an’ny tanindrazana, ho an’ny tenindrazana” ny fifaninanana asa soratra nahazoan’izy ireo loka.
Fanombohana ihany ny omaly, fa mitohy mandritra ny iray volana ao amin’ny “Trano Sary” Ambohidahy ny fampahafantarana an’i Nihry-Lanto. Nanolotra boky miisa 240 ho an’ny Malagasy, ho hita ao amin’ny Tranombokim-pirenena sy ny rantsa-mangaikany manerana ny Nosy kosa ny fianakaviany.
Zo ny Aina