Fanabeazana maha olona : hadinon’ny Malagasy ny maha izy azy

Maro ny resaka momba an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Tsy eto an-toerana ihany fa na ireo vahiny mpikaroka sy mpandalina tantara aza, milaza izany ihany koa. Mety hijanona ho jery ivelany ihany anefa io tranga io, raha ny hita ankehitriny !

Efa mahazatra ny sofina ny maheno ny hoe : anisan’ny maha firenena ny firenena iray ny fanananany ny taniny, ny teniny, ny fombany, ny finoany, ny satany, ny kolontsainy… Manana azy ireo ny Malagasy sy i Madagasikara, saingy, hadino na tsy fantatra tsotra izao ny fisiany. Ao anatin’ny fanabeazana ny maha olona ny fandehanana any an-tsekoly. Tsy fantatry ny tomponandraikitra (na hadinony) anefa fa mandia ny vanim-potoana fahavaratra i Madagasikara, amin’ny fotoana hidiran’ny mpianatra an-tsekoly. Hadino na tsy
hain’ny Malagasy sasany in­tsony fa «ny razana ela no lasa Zanahary», hany ka miantsampy amina finoana sy fivavahan’ny hafa izy ary mihevitra fa anisan’ny maha izy azy io fivavahana na finoana io. Hadino na tsy fantatry ny Malagasy hafa fa anisan’ny maha izy azy ny fanajana ny raiamandreny. Aminy, olona tsy afa-miasa intsony ireny ka tokony hapetraka any amin’ny toerana «mitaiza» be antitra. Ireny loharano nipoirana ireny anefa no nampianatra sy nanoro ary nanabe azy ho tonga olom-banona. Io ilay fanabeazana maha olona.

Tsy fahalalana sy fanadinoana mandrava zavatra maro
Rehefa tsy fantatry ny Malagasy sasany fa ny fahafantarana an’i Zanahary no maha izy azy fa tsy ilay «resa-pinoana», zavatra maro no rava. Vaky roa na telo na mihoatra izay aza ny tokantrano iray satria samy manana ny finoany. Rava tsikelikely ny maha fianakaviana iray. Na tovolahy sy tovovavy tokony hanorin-tokantrano aza, voasakana satria tsy mitovy finoana hono.
Raibe na renibe, na ray na reny, tokony hovaliana babena, «aterina» any amin’ny toerana «fitaizana» be antitra. Rava na tsizarizary ny tokantranon’ny Malagasy satria potika manaraka io fomba io ilay fifamatorana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: