Fanafarana menaka : mihenjan-droa ny tady eo amin’ ny fadin-tseranana sy ny DMC

Eny anivon’ny fitsarana ambony ny raharaha mikasika ilay fanafarana menaka hodiovina ho azo ohanina ataon’ny orinasa DMC sy ny fitoriana ataon’ny fadin-tseranana. Mbola henjan-droa ny tady eo amin’ny roa tonta.

Nitondra fanazavana afakomaly, tetsy Ampa­sa­madinika, ny mpiso­lovavan’ny orinasa Bid-Co, Rama­roson Tantely, sy ny mpisolovavan’ny orinasa DMC, Andriamparanirina Fanaja, mikasika ny raharaha fanafarana menaka nitorian’ny fa­din­tseranana azy ireo.

Nazava tao anatin’ny resaka fa efa namidy tamin’ny taona 2014 ny orinasa Bid-Co ary lasa DMC ankehitriny. Mi­tohy amin’ny fanodinana me­na­ka hatrany ity orinasa vaovao ity.
Nisy ny fanafarana menaka tsy voadio nataon’ny DMC kanefa nambaran’ny fadin-tseranana fa hosoka izany ka lazaina fa menaka efa voadio tsara no nafaran’ny orinasa.
Voapanga ho mpanao hosoka, araka izany, ny orinasa DMC ary nampidirina ho anisan’ny voapanga tao koa ny tompon’ny orinasa teo aloha izay efa misehatra amin’ny zavatra hafa tanteraka, nanomboka ny taona 2017.

Nilaza ny mpisolovava, Ramaroson Tantely, fa tsy ara-drariny ny zava-miseho. Ma­nao antso avo amin’ny an-tanantohatra rehetra izy hanavahana tsara ny zava-misy.
Tetsy andaniny, nilaza ny mpisolovavan’ny orinasa DMC fa efa voaporofo teny amin’ny IPM mihitsy ny vokatra nafarana fa menaka tsy voadio. Manamafy izany ny fitiliana natao rehetra hatrany ivelany.
Manahy ny mpisolovava roa tonta ny amin’ny hisian’ny zavatra hafahafa ao anatin’ity raharaha ity.
Tetsy andaniny, nilaza ny avy amin’ny fadintseranana, tamin’ny alalan’ny tomponandraikitry ny serasera ao aminy, fa efa eo am-pelatanan’ny fitsarana mahefa ny raharaha. Apetraka amin’ny fahendren’ny fitsarana madiodio ny tohiny.
Marihina fa sazy mihatra herintaona an-tranomaizina sy lamandy 90 miliara Ar moa no azon’ireo voapanga ao ana­tin’ity raharaha fanafarana menaka ity.

Tatiana A

Partager sur: