Cosafa Women. Nampafantarina ny talata lasa teo ny anaran’ireo mpilalao 23 vavy mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa nisy dingana telo no natao nitilina ireo mpilalao ireo. Marihina fa ny Cosafa Women, hotanterahina ny 23 aogositra – 3 septambra ho avy izao, atsy Afrika Atsimo.
Elgeco Plus. Niainga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanindina Ivato ny ekipa malagasy Elgeco, hihazo an’i Gaborone-Botswana. Tsiahivina fa hiatrika ny lalao mandroso hihaonan’izy ireo amin’ny Gaborone United ny Elgeco Plus, ny 19 aogositra ho avy izao. Fihaonana tafiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’Afrika, «Coupe de la CAF».
Mondial, vehivavy. Lavon’i Angleterre, tamin’ny isa 3 no ho 1, i Australie mpampiantrano, nandritra ny lalao manasa-dalan’ny Mondial 2023. Fihaonana natao omaly, tao amin’ny kianjan’ny Accor Stadium, Australie. Fihaonan’i Angleterre sy i Espagne, araka izany, ny eo amin’ny famaranana, hatao ny 20 aogositra ho avy izao.
Neymar JR, Al Hilal. Niteraka resabe tao anaty tambajotran-tserasera ny karama sy ny tombontsoa azon’ity brezilianina mpilalao baolina kitra ity. Ankoatra ny lelavola 300 tapitrisa Euros karamany mandritra ny roa taona, nahazo fiara telo ny tenany. Mbola misy trano ahitana efitra 25 koa nomena azy.