Hosafidiana amin’ny “Prix du Mérite Citoyen”, any Erquelinnes, Belgique i Pata Njava. 8 izy ireo no milahatra anatin’izany, izay heverina fa mitondra ny mahasoa hoan’ny fiarahamonina, isaky ny sehatra misy azy avy. Mpikambana ao amin’ny tarika Njava sy ny tarika Syarez no tena ahafantarana an’i Pata. Mpiangaly sy mpampianatra mozika, ary milofo amin’ny fanentanana ireo ankizy mba hirona amin’ny mozika izy.
Notontosaina, omaly, ny atrikasa ho an’ireo mpampianatra kabary. Fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana kabary sy fanofanana ireo vao hirotsaka eo amin’ny fampianarana ity zavakanto malagasy ity no natao tamin’izany. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo ny «Herinandron’ny kabary», tontosain’ ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany, io fandaharam-potoana io.
« Zeudi JAM/ JAM Session ». Sahala amin’ny mahazatra, tontosaina anio, eny amin’ny La Fabrik Faliarivo, ny hetsika «Zeudi JAM/ JAM Session». Raha tsiahivina, sehatra natokan’ny mpikarakara ho an’ny mpahay kanto vao misandratra izy ity. Misokatra ho an’ny rehetra ny sehatra amin’ity anio ity, manomboka amin’ny 7 ora hariva.
Sokaf’hehy. Tontosa omaly, teny amin’ny CGM Analakely, ny hetsika “Sokaf’hehy”. Hatsikana fanandratana sy fampiroborobona ny hatsikana eto Madagasikara. Nisy ny atrikasa sy fizarana fahaiza-manao nataon’ireo efa kalaza eo amin’ny fanaovana hatsikana, taorian’ny seho, izay nisokatra ho an’ny rehetra.