Famatsiam-bola entina hiatrehana ny afo, mitentina 120 tapitrisa Ar, no azon’ny “Madagascar National Parks (MNP)”. Nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa niarahany tamin’ny tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny karazan-java-mananaina eto Madagasikara (FAPBM), omaly, teny amin’ny biraon’ny MNP, Ambatobe. Napetraka ao amin’ny tahirim-bola maika ity famatsiam-bola ity. Tanjona ny hampihena ny velaran-tany may amin’izao fidirana amin’ny vanim-potoanan’ny afo izao. Efa napetraka any amin’ireo toerana arovana miisa 17, tantanan’ny MNP, ireo lelavola ireo. Fantatra ihany koa fa efa manomboka ny afo any amin’ireo toerana arovana sasany toy ny any amin’ny faritra Menabe Antimena, ny ao Boeny ampitan’i Katsepy, Bemaraha, Midongy Atsimo. Fotoana fanararaotan’ny olona hanaovana tavy tokoa ny volana aogositra ka ilaina ny fampitaovana hanamafisana ny fandraisana andraikitra. Hatramin’izao, mbola tsy atahorana hihitatra ireo afo ary tsy mbola nisy ny fahamaizana mampatahotra. Efa vonona ihany koa ny fitaovana rehetra hiadina amin’ny afo, ao anatin’izany ny fisorohana ny aroafo.
Henintsoa H.