Antalaha : nohavaozina ny tanàna Orange roa

Nanomboka ny taona 2012 no notohanan’ny Orange solidarité sy ny Fondation Orange ny tanànan’i Mahe­vadoany sy Ambodirafia, Cap Est, ao amin’ny distrikan’An­talaha. Nohavaozina ny fotodrafitrasa maromaro, araka ny fifanarahana tamin’ny ONG Macolline.
Tafiditra amin’izany ny toeram-pisakafoana an-dakilasy, toeram-pidiovana sy fivoa­hana ary ny paompin-drano hampiasain’ny mpianatra sy ny mponina ao Mahevadoany. Nahazo fahazavana koa ny tanànan’ Ambodirafia sy ny foiben’ ny Macolline ao An­talaha.
Vita ny volana marsa lasa teo ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ka anisany ny fanatsa­rana ny fotodrafitrasa sami­hafa amin’ireo toerana roa ireo. Tontosa ny asa ary efa noraisina tamin’ny fiandohan’ ny herinandro teo, tany an-toerana. Nanatrika izany ny filohan’ny Orange solidarité, Benja Arson, sy ny filohan’ny ONG Macolline, Marie-Hélène Kam Hyo, niaraka tamin’ireo solontenam-panjakana any Antalaha.

Vonjy

Partager sur: