« Beat Box Battles Madagascar »: misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana

Nisokatra ny 13 aogositra 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 26 aogositra 2023, ny fandraisana ny horonantsarin’ny mpifaninana ho amin’ny « Beat Box Battles Madagascar 2023 ».

Ny fikambanana Beat Box Madagascar no mikarakara ny hetsika. Sokajy roa no hifaninanana amin’ity andiany fahadimy ity. Mai­maimpoana tanteraka ny fandraisana anjara ary tsy miova ny fepetra sy fomba fandraisana anjara. Ny 24 septambra 2023, eny amin’ny CGM Analakely, no hanatanterahina ny “Battles” ho an’ireo izay voafantina.

Mitohy hatrany ny fanandratana sy fampiroboroboana ny “Beat Box” eto Mada­gasikara, taorian’ny nahazoan’i Do Be ny naha tompondaka eran-tany, teo amin’ny sokajy “Vocal Scrath”. Ny 13 aogositra teo no nisokatra ny fandefasana horonantsary ho an’ny te handray anjara amin’ny fifaninanana. Raketina anaty horonantsary, tsy mihoatra ny 2 minitra sy 15 segondra ny fandraisan’anjaran’ny mpifaninana. Ny 26 aogositra 2023 no hifarana io fandefasana horonantsary io. Do Be miaraka amin’ny vahiny roa, Madox sy Alem no mpitsara mandritra ny fifaninanana sy manao ny fifantenana. Hanao ny fifantenana ny mpitsara, ka izay valo tsara indrindra, ho an’ny sokajy “Solo”, no hiatrika ny “Battles”.
Ho an’ny sokajy “Tagteam” na ekipa kosa, ireo efatra tsara indrindra no hiatrika ny “Battles”.
Hiavaka kely amin’ny isan-taona ny hetsika amin’ity taona ity noho ny fisian’ny “Improve Battles”. Miendrika fampisehoana ity sokajy iray ity ary ny mpikarakara no hifantina izay hiatrika izany.

Lin M.

Partager sur: