efa zatra ny mpanjifa : miverina indray ny fahatapahan-jiro

Tsy voavaha ny olan’ny famatsian-jiro. Miverina indray ny fahatapahana amin’ny faritra maro eto Antananarivo sy ny manodidina.

Mampimenomenona ny mpanjifa ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny izay niverina indray tanatin’ny andro vitsy, nanomboka ny alahady teo. Betsaka ireo fokontany eto an-drenivohitra sy ny manodidina no mitondra faisina vokatr’izany fahapahan-jiro izany. Tapaka tsy latsaky ny intelo isan’andro ny herinaratra ka mampiato ny seha-pihariana miankina amin’izany. Amin’ny andro alina indrindra koa no tena maharitra ny fahatapahana. Velon-taraina manoloana izany tranga izany ny mpanjifa. “Tsy vitan’ny manapaka ny herinatra ny Jirama fa mbola manimba entana no midangana ny faktiora”, hoy ny fitarainan’i Nirina, renim-pianakaviana monina eny Analamahitsy. Betsaka ireo fitaovana simba sy tsy mbola voasolo noho izany. “Tsy ho soloin’ny Jirama akory ny entanay simba nefa ny faktiora tsy maintsy aloa isam-bolana”, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpanjifa.

Maizina
Mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny haizina. Voatery mamonjy fodiana alohan’ny fahatapahan’ny herinaratra ireo mpiasa mirava tara, noho ny tahotra ny asan-jiolahy. “Sarotsarotra ny fahatongavana aloha noho ny fiandrasana taxi-be sy ny fitohanana eny an-dalana. Voatery mifindra fiara mpitatitra indroa na intelo raha te ho tonga aloha kanefa tsy mamela izany ny eo am-pelatanana”, hoy ny fanazavan’ny raim-pianakaviana iray.
Araka izany, miahiahy sa­hady ny zavatra mety hiseho amin’ny lohataona izy ireo raha amin’izao vanim-potoana izao sahady no miverina ny fahatapahan’ny herinaratra. Tsia­hivina fa nanome fotoana ny hanafoana ny olan’ny delestazy ny filoham-pirenena, herinandro vitsy lasa izay. Rehefa nilamindamina ny raharaha tato ho ato dia toa miverina indray ny olana.

Henintsoa H.

Partager sur: