Ilain’ny sekoly ny lamina momba ny tetiandrom-panadinana sy ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana, handrindrana ny fitantanana, indrindra ho an’ny sekoly tsy miankina.
Navoakan’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena ny alarobia teo, ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 sy ny fotoana handraisana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina, araka ny didy hitsivolana laharana 23218/2023.
Hisokatra ny alatsinainy 22 janoary 2024 ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana CEPE ary hikatona ny 22 marsa 2024. Hiroso amin’ny fanadinana ny talata 18 jona 2024. Ho an’ny fanadinana BEPC, ny 5 febroary 2024 no fanombohan’ny fandraisana ny antontan-taratasy ary hifarana ny 5 avrily. Ny talen’ny kolejy sy ny talen’ny lisea no hisahana ny fanatanterahana izany. Hiatrika ny fanadinana ny mpiadina ny 1 ka hatramin’ ny 5 jolay 2024.
Ho an’ireo hirotsaka amin’ ny fampianarana kosa, ny 29 avrily hatramin’ny 12 jolay ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana CAE/EP. Eny anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra no misahana azy. Ny 3 sy 4 septambra 2024 ny fiatrehana ny fanadinana. Mitovy amin’izay koa ny fotoana handraisana ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana CAP/EP fa ny 15 sy 16 oktobra ny fiatrehana ny fanadinana ho an’ireo vonona.
Araka ny naoty nalefan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, amin’ny alatsinainy ho avy izao ny fotoana fidiran’ ny mpitantana ny sekoly sy ny fivorian’ny FEFFI (Farimbon’ ezaka ho fahombiazan’ny fanabeazana eny ifotony). Mbola mitohy koa ny fandraisana ny fisoratana anaran’ny mpianatra. Ny 28 aogositra ny fitsinjarana ny fandaharam-pianaran’ireo mpampianatra sy ny lamina pedagojika mandritra ny taona.
Vonjy A.