FANTINA sy FINTINA

Miantso an-dRanaivojaona Sylvia ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ireo fikambanana tanora maromaro ao Toamasina sy Antananarivo ary amin’ny distrika hafa. Filoha mpanorina ny fikambanana ”Perfect Madagascar” ny tenany. Sady mpandraharaha no mpiasam-panjakana. Reny mpiahy ny skoto.

“20 tapitrisa Ar ny fifidianana depiote, matoa 200 tapitrisa Ar ny amin’ny firotsahan-kofidina filohan’ny Repoblika”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tany Tsihombe, Masy Goulamaly. 5 tapitrisa Ar izany tamin’ ny fifidianana depiote farany. 10% amin’ny anto-bolan’ ny kandidà filohan’ny Repoblika ny an’ny depiote.

“Miady amin’ny fitsaram-bahoaka isika”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tamin’ny tetikasa ”Fiara zo”, tany Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony, afakomaly. Amin’ny hetsika toy izao no ahazoana mampahafantatra fa efa vokatry ny tsy fahafantaran’ny vahoaka ny zo sy ny andraikiny ny fitsaram-bahoaka.

“Fototra amin’ny demokrasia ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo. “Ilaina ny fampianarana maha olom-pirenena sy ny momba ny fifidianana”, hoy hatrany izy. Anjara andraikitry ny olom-pirenena rehetra ny fikarakarana fifidiana.

Partager sur: