Hamonjy fahoriana : saika lasan’ny jiolahy ny entana rehetra

Voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly tolakandro, ny jiolahy nangalatra entan’olona teny amin’ny fian­tsonan’ny taksiborosy. Naharay antso ny polisy fa misy jio­lahy iray nihorakorahan’ny olona tratra teo am-pangalarana entana. Tonga ara-potoana ny polisy, voamarina ny fisian’ ny olon-dratsy. Tratra teo am-pibatana sakaosin’olona iray izy. Olona handeha hamonjy fahoriana ity saika tratran’ny halatra ity.
Mpivady handeha hody no niharan’ny herisetra sy fanendahana nataon’ny jiolahy tao Mahajanga, afakomaly ihany. Telo lahy ry zalahy no niaraka saingy tafaporitsaka ny iray raha azo sambo-belona ny roa. Fa tamin’io ihany, vazaha telo mianadahy avy namonjy fety no niharan’ny fanendahana tao anaty bajaj rehefa handeha hamonjy fodiana teo amin’ ny rond-point Tsararano Ambany. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny finday avolentan’ireto vahiny. Anisan’ny mampitaraina ny olona ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eo amin’ny lalana gara Sarety, Tsararano ka antony nahatonga ny polisy nanao hetsika manokana.

J.C

Partager sur: