Nafana tanteraka ny lalao manasa-dalana teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By pass. Hiady ny amboarabe amin’ity fifaninanana ity Antananarivo mpampiatrano sy Toamasina.
Notanterahina omaly alakamisy 17 aogositra ny manasa-dalana, fiadiana ny amboaran’ny filoha “Coupe du Président 2023”. Nahazo ny tapakila hiatrika ny famaranana atao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 20 aogositra ho avy izao ny tompon-tanana, Antananarivo sy Toamasina.
Ny ekipan’i Toamasina, nandavo an’i Fianarantsoa, tamin’ny isa 1 no ho 0. Baolina tafiditr’i Angelo, vodilaharan’i Toamasina, teo amin’ny minitra faha-21 no nahazoan’izy ireo ny fandresena. Marihina fa ity vodilaharana ity ihany, nahazo ny mpilalao mendrikin’ny fihaonana teo amin’ny roa tonta.
Avotra tany amin’ny ora farany ny Renivohitra. Nandresy an’Atsirananana, 1 no ho 0 ihany koa, izy ireo. Hetsika tsara nataon’i Navalona, laharana faha-10, Antananarivo, izay namitaka vodilaharana dimy ka afaka nanolotra an’i Ravaka no nitondra fandresena ho an’ny mpilalaon-dRasoanaivo Titi, mpanazatra. I Navalona no nahazo ny amboaran’ny mpilalao mendrikin’ny lalao nandritra ny fifanandrinan’ny roa tonta.
Tsiahivina fa ny alakamisy 10 aogositra lasa teo, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 i Toamasina sy Antananarivo, nandritra ny andro voalohan’ ny vondrona A. Araka izany, ireo ekipa roa nanokatra izany tany am-piandohana ireo ihany no hamarana ny fifaninanana.
Ankoatra izay, ny sabotsy 19 aogositra ho avy io, eny Mahamasina, hisy ny fihaonana hiadiana ny laharana fahatelo amin’ity “Coupe du Président” ity. Ny ekipan’i Fianarantsoa sy Atsirananana no hifanandrina amin’izany. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta, tamin’ ny andro faharoan’ny sokajy B.
Fitia