Masina ny tanindrazana ! masina koa anefa ireo masina ka tsy tokony ho zimbazimbaina sy lalaovina amin’ny resaka politika. Iaraha-mahita ankehitriny fa zary tafiditry ny kajikajim-pifidianana ny antokom-pivavahana na antokom-pinoana iray. Taiza hatrizay no misy fikambanana mitondra ny anaran’i Kristy, manolotra kandidà ho filohan’ny Repoblika. Ny antokom-pinoana lehibe rahateo efa ifandrombahana. Marina fa ilaina ny fanohanana ny mpanompon’Andriamanitra fa misy dia mibaribary ny kolikoly fividianana fanahy. Miteraka fitsiriritana sy fifampialonana amin’ny samy lohandohan’ny mpisorona izany.
Tsy hanaovana resabe ny kilalao sadasada eny amin’ny fiangonana « zandriny ». Toa ataon’ny sasany entam-barotra ny mpanaradia azy ireny. Antoka hoenti-miady varotra tombontsoa any amin’ny mpanao politika. Tsy misy rahateo ny lalàna mandrara izany. Olom-pirenena manana ny safidiny ny mpivavaka, toa ny mpitarika. Ny indrokely, entin’ny fitiavana sy ny finoana an-jambany ny mpanara-dia ka hararaotin’ny sasany. Miteraka fanambakana ilay faharefoana.
Tsy azo lavina, manana anjara toerana lehibe amin’ny kianja filalaovana politika ny fivavahana sy ny mpivavaka. Indrindra amin’ny firenena tsy mametraka mazava ny etika politika. Mibaribary hatrany amin’ny lohan’ny Eglizy lehibe maneran-tany no hihazakazahana. Zava-dehibe tokoa ny tsodranon’ireo olom-boahositra ka ifandrombahana. Mipoipoitra ny serasera ataon’ireo manam-bitana sy manam-bola ahafahana mihaona amin’ireo ray am-panahy.
Masina ianao hoy ny masina ! saingy izay tokoa ve ? Mandeha araka ny tokony ho izy ve ny fiainana ilay finoana sa mivadika ho paikady politika tsotra ? Matetika anefa ny fametavetana ny zava-panahy no mahatonga ny faharavana. Iza no mahita ? Hiaraha-mizaka aloha ny afobe isan-karazany eto Madagasikara.
r.r