Zava-doza ny nanjo ilay zazalahy kely vao enin-taona. Matin’ny tady fanahazan-damba izy rehefa nanao kilalao, nisary hananton-tena.
Nampalahelo ny nanjo ity fianakaviana iray tao Toamasina. Maty nihantona teo amin’ny tady fanahazan-damba eo an-tokontany ny zaza vao enin-taona, ny talata lasa teo. Maty vokatry ny fanandrakandramana amin’ny maha ankizy azy. Nanao kilalao famonoan-tena niaraka tamin’ny namany.
« Hamono tena aho », hoy izy, tamin’ireo mpiara-nilalao taminy. Samy tsy nanampo na inona na inona ireto ankizy namany tamin’io fotoana io. Noraisiny tokoa ny tady fanahazan-damba efa tsy miasa intsony teo an-tokontany. Nofatorany ny tendany ka nentiny nihazakazaka. Vokany, kenda izy satria lasa nifatotra nangeja mafy ny tendany ilay tady. Maty tsy tra-drano ilay zaza. Hatairana ny an’ireo ray aman-dreniny raha nahita ity zanany namoy ny ainy tamin’ity kilalao hafahafa ity. Nialana nenina nentina hopitaly, saingy tsy avotra intsony ny ainy.
Nalevina any Foulpointe…
Nentina nihazo an’i Foulpointe ny razana. Notanterahina omaly ny fandevenana. Ilàna fanaraha-maso akaiky ireo ankizy rehefa milalao mba hisorohana ny trangan-javatra toy izao. Misy rahateo ireo kilalao maherisetra ataon’ny ankizy ka mihatra aman’aina.
Tsiahivina, mbola tany Toamasina no nisy ilay ankizilahy iray hita faty nihantona teo amin’ny fandriana, nialoha ny fanadinana BEPC. Tsy fantatra mazava koa ny antony nahatonga azy nihantona tamin’ny lamba teo am-pandriana. Efa vatana mangatsiaka no novantanin’ireo ray aman-dreniny.
Vao tsy ela akory, tao Mahanoro, zazalahy vao 14 taona no nananton-tena. Ny azy indray, antony namonoany tena ny alahelo noho ny tsy namelan-dreniny azy hilalao baolina.
Sajo/J.C