Rugby – Lalaon’ny Nosy 2023 : tanjon’ny Makis ny haka volamena roa

Naneho ny fahavononany amin’ny lalaon’ny Nosy 2023, hotanterahina eto Madagasikara, ny Maki de Madagascar, eo amin’ny taranja rugby lalaovina olona 7, lahy sy vavy. Efa ao anatin’ny fametrahana ny paikady sisa ireo mpanazatra amin’ izao herinandro tsy hanombohan’ny fifaninanana izao. Nametraka fanamby izy ireo fa tsy hamotsotra ny medaly volamena hiadina amin’io.
Nanamafy izany Rakotomalala Marcel, filohan’ny Mala­gasy Rugby. “Efa fantatry ny Makis tsara ireo mpifanandrina aminy ireo. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Malagasy mihitsy, tamin’ireo fifaninanana notanterahina na teto amintsika na tany ivelany, izy ireo”, hoy izy. Tsiahivina fa firenena efatra no hiady ny medaly volamena amin’ity: Madagasikara, La Réu­nion, Maurice ary Mayotte. Ny 1 sy 2 septambra, ny daty hana­ton­tosana ny fifaninanana, ka eny amin’ny kianja Andohatape­naka ny fifanintsanana raha ny kianja Barea kosa no hanaovana ny famaranana. Raha ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ny Makis, na ho an’ny sokajy lehilahy na sokajy vehivavy, i Mayotte.

Tompondaka

Partager sur: