Afaka fito andro ! Hanomboka ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Nisy ny lalao fitsapana nataon’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sy ny ekipa voafantin’i Mahajanga, tao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly. Tsy afaka natrehin’ny mpijery izany.
Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ ny federasion’ny baolina kitra Malagasy (FMF) ny voka-pifidianana, tany amin’ireo ligy 22 eto Madagasikara. Natao ny 12-13 aogositra lasa teo izany. Nisy ny vokatra izay rava sahala, ka nanapa-kevitra ny FMF fa izay zoky ara-taona no ho lany filoha.
Notanterahina ny alarobia lasa teo ny fiadiana ny amboaran’i “Uefa Super Coupe 2023”. Norombahin’ ny Manchester City, Anglisy izany, rehefa lavon’izy ireo tamin’ny fandakana “tirs au but”, 5 no ho 4, ny Seville FC, Espaniola. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta nandritra ny fe-potoana 90 minitra niampy fanalavam-potoana.
Notanterahina omaly, tany Paris, renivohitr’i France ny fanaovam-beloma an’i Neymar, Brezilianina mpilalao baolina kitra. Tonga nijery sy nangataka tsodrano tamin’ireo namany izy, nandritra ny fanazarantena natao tamin’io fotoana io. Tsiahivina fa hifindra lasy any Al Hilal, Arabie Saoudite, ity kintan’ny Paris Saint Germain fahiny ity.