Talatamaty: jiolahy raindahiny roa lahy maty voatifitra

Rotiky ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny tratra tao “Bemoka”, fokontany Ambohi­nambo, kaominina Talatamaty, distrikan’ Ambohidratrimo, omaly maraina. Anisan’ny namoahan’ny fitsarana didy fikarohana noho ny asa ratsy nataony, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Tomponantoka tamin’ny fanafihana fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalan’Andra­notapahana, ny 4 jona lasa teo, ny iray. Ahina ho nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana Cash-point  teo Bel’Air, Talatamaty koa ireto olon-dratsy lavo ireto. Efa fikambanan-jiolahy, araka izany, ireo sendran’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana alina ireo.
Nitaingina moto miisa roa, nifanena tamin’ny mpitandro filaminana ny jiolahy efa-dahy tao Bemoka, fokontany Ambo­hinambo, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Nanara-dia ny zandary noho ny fihetsik’ ireto mpitaingina moto nampiahiahy. Nitsoaka nandositra izy efa-dahy. Nitifitra tamin’ny basy. Raikitra ny fifandonana. Tafaporitsaka ny roa lahy nitondra moto Kymco Racing, miloko mainty. Voatifitra kosa ny roa lahy nitondra jog. Tratra nandritra ny fifandonana ny basy PA sy ny bala telo. Na­terin’ny mpitandro filaminana eny amin’ny CHU Anosiala ny vatana mangatsiakan’ireo roa lavo.

Tsiferana R.

Partager sur: