Seho voalohan’i Erick Manana sy Dama, anio. Manomboka amin’ny 7 ora sy sasany, etsy amin’ ny CCEsca Antanimena. Hisy seho faharoa, ny alahady 20 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Feo roa, gitara roa », toa ny nanombohan’ izy mirahalahy ity fiarahana ity ihany izany. Hisy ampahan’ny fizarana voalohany hatokan’izy ireo ho fahatsiarovana an-dRaoul, zokin’i Dama.
Zoma finaritra. Tontosaina anio, eny amin’ny IKM Antsahavola, mandritra ny hetsika « Zoma finaritra » sy ny seho « Slam Session ». Hetsika efa fanaon’ ny IKM, miaraka amin’ny fikambanana Madagaslam, Section Tanà. Tanjona ny hanomezana sehatra ny mpiangaly Slam ho fampiroboroboana sy fampiakarana ny lentan’ny Slam.
Kilalaon-tsaina. Miditra amin’ny andro fahatelon’ny fifaninanana ny eny amin’ny Aft Andavamamba anio, ao anatin’ny “Salon des jeux de société”. “Belote”, “Scrabble” ary “Super Smash”, no hifaninanana amin’ity anio ity. Rahampitso ny hifarana ny hetsika, ary mandritra izany no hanolorana ny amboara ho an’ny mpandresin’ny fifaninanana rehetra.