Tsy fahalalana, eboebo, laza…: Endrika ivelany sisa ilay kolosaina

Iray amin’ireo mampiavaka an’i Madaga­sikara sy ny Malagasy manoloana ny firenen-kafa ny fananana kolontsaina marobe. Niharan’ny fiovana anefa izy ireny…

Fandikan-teny « mivilana » ihany ny hoe « kolontsaina », raha takarina amin’ny foto-pisainana malagasy. Ny saina no nokoloina tamin’ny hira, fanorona, valiha, angano, kabary, katro, sns. Noho izany, « kolosaina » no tokony ho izy. Tsy nijanona teo amin’ny fialamboly sy fanalana hamohamo fotsiny mantsy ny nanatanterahan’ny Malagasy azy ireny fa nipaka tany amin’ny saina am-panahiny mihitsy.
Nisy tamin’ireny kolosaina ireny no tafiditra tsikelikely teo amin’ny sehatra malalaka kokoa, ka tonga niova nanaraka izany ny momba azy. Ilay kalokalo fanao teny amorom-patana nanjary hira nahazoana laza sy voninahitra. Ny kabary nataon’ny raiamandreny ho adidy, fahiny, nivadika ho fitadiavam-bola nahazoam-boninahitra… Very tsikelikely ny fototra (fitaizana, fanabeazana, fikoloana, sns, ny maha olona. Anisan’izany ny saina)
Nivadika « kolontsaina » ilay « kolosaina »
… Nanomboka teo, nanana endrika namirapiratra ny kolosaina. Famirapiratana ivelany. Ireny no nanjary « kolontsaina » malagasy, taty aoriana. Na efa ny fitombenana aza no nokoloina mafy tamin’ny dihy, mbola kolontsaina ihany no anarany. Na sary sokitra miboridana aza no hasehon’ny manan-talenta, mbola kolontsaina ihany ireny. Na mamoafady aza ny tononkira, mbola kolontsaina ihany ireny…
Tsy nahatazona ny fakany intsony ny « kolosaina » fa nitsingidina ho « kolontsaina ». Tsy nahagaga raha samy nanao izay saim-patany ireo nasondrotry ny laza sy ny vola ary ny voninahitra sy izay mitovy karazana aminy rehetra (eboebo…).

Simba tanteraka…
Nitsingidina nanaraka ny « kolosaina » ihany koa ny fotom-pisainan’ny Malagasy, satria, niala ny fototra lehibe iray. Ilay « kolontsaina » no fantatry ny sasany, indrindra fa ny tanora taty aoriana. Ireny no heveriny fa an’ny Malagasy sy mampiavaka azy amin’ny firenen-kafa. Be « moraly » loatra, hono, ny hira fahiny ka tsy sahaza azy (tanora). Tsy mivantana, hono, ny ohabolana sy ny hainteny kanefa izy (tanora) tsy manam-potoana handinihina izany intsony. Simba tanteraka ilay fananana saina mandinika teo amin’ny Malagasy sasany. Tsy mahagaga raha mitambontsim-pandry i Madagasikara. Nanjary nirefarefa amin’ny tany ny zava-drehetra ao aminy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: