Zarina tsikelikely. Raha toa ka manana ny morondranomasina hialan’ny mpianakavy voly ny any an-tsiraka, manana ny eny amin’ny toerana avo koa ny eto Iarivo. Tanjona amin’ny « Afondasin’Andohalo » ny hanome fialamboly feno rehefa faran’ny herinandro. Efa nisy ny andiany voalohany, notontosaina ny 4 aogositra lasa teo. Nakana lesona hanarenana ny lesoka izany, ka fantatra fa hotohizana anio sy amin’ny 1 septambra indray ny “Afondasin’Andohalo”.
Mozika sy hainahandro, manodidina afo manafana amin’izao ririnina izao no hiara-dalana manomboka amin’ny 4 ora sy sasany. Hasongadina kokoa ny hainahandro malagasy, mba samy hankafy izany na ny tompontany na ireo vahiny mandalo. Hanafana ny fotoana ireo mpanakanto toa an-dry Fara Gloum sy ry Alain Rabetrano, izay efa teo amin’ny andiany voalohany.
Mialoha izay anefa, hisy ny “Kindriandrian’Iarivo”. Kilalao iombonan’ny mpianakavy, fa indrindra ho an’ny ankizy, no hatao mandritra izany. Mifampitohy ireo hetsika roa ireo, mba samy hanana ny anjara fialamboliny amin’izao anaty fialantsasatra izao ny tsirairay.
Zo ny Aina