Hampivoarana ny fiainan’ny tantsaha sy hahazoany fidiram-bola maharitra ho enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ireo no apetraky ny fandaharanasa « défis », ho fampandrosoana ny fambolena sy ny fiainana isan-tokantrana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Miasa amina faritra valo any atsimon’ny Nosy ity fandaharanasa ity ho fanohanana ny fiainam-pianakaviana. Miainga ao amina tokantrano iray ny tetikasa hampandrosoana ny fiainany. Mila mamaritra vina ny tokantrano iray, jerena ny fanatanterahana izany sy ireo pitsopitsony rehetra ka manome tohana ho fampandrosoana izany ny fandaharanasa. Voizana ao anatin’izay ny lohahevitry ny fanjarian-tsakafo, ny famokarana, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny miralenta. “Apetraka ny vinan’ny tantsaha ao anatin’ny telo hatramin’ny dimy taona. Mila faritana ihany koa ny tanjona ho tratrarina anatin’ny herintaona ary ny tondrozotra enti-manatanteraka izany”, hoy ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny fandaharanasa “Défis”, Randrianaritiana Pierrot Serge.
Mandray anjara
Samy manana ny andraikiny ny tsirairay ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Zaraina ny asa rehetra sy ny teknika enti-manao izany hampisy ny firaisan-kina sy hanohanana ny tokantrano tsirairay. “Tantsaha mpamokatra teny Ambohimanambola aho ary tsy mba nanana vina izany. Taty aoriana, nahazo fiofanana aho ary teo namaritra vina sy tanjona ao anatin’ny fotoana fohy. Nahay nandrindra ny fomba fiasa koa izahay tamin’ny alalan’ireo toromarika nozaraina”, hoy Ravonjiniaina Herizo, anisan’ireo nisitraka ny fiofanana.
Henintsoa Hani