FANTINA sy FINTINA

Nanameloka ny lainga afafy sy tsaho manodidina ny fanadihadiana amin’ny “Raharaha Romy”, any Londres, ny antoko Freedom. “Manameloka ny fanaovana bontolo ka hanendrikendrehana ny filohan’ny Repoblika ho tsy afa-miala amin’ny mety ho heloka nataon’ny sasany izahay”, hoy izy ireo.

Nanolo-kevitra ny tokony hamoahana didy hampiasana ny rejisitry ny fokontany amin’ny fifidianana, ny filohan’ny FMI Malagasy, Ratsietison Jean Jacques. Tsy mahazo mifidy ao amin’ny fokontany na efa ao anatin’ny lisi-pifidianana aza ka tsy ao anatin’ny rejisitra. Mahazo mifidy raha tsy ao anatin’ny lisi-pifidianana, nefa ao anatin’ny rejisitry ny fokontany.

“Tsy tokony hisy zara vilana intsony ny vola ampiasain’ny kandidà amin’ny fifidianana”, hoy ny avy amin’ny Komity miaro ny soa iombonana ( KMSI), Ramahanenina Ranaivo. Avy aiza ny vola ampiasain’ ny kandidà? Tokony hoferana sy ho fantatra izay loharanom-bola lanin’ny kandidà amin’ny fifidianana. Fifidianana fandaharanasa fa tsy olona no hatao.

Ny fitsinjaram-pahefana miabo no anisan’ny lahadinika amin’ny fivoriana isan-taon’ny fikamba­nan’ny ben’ny Tanàna an-tanàn-dehibe miisa 16 na ny ”Association des maires de grandes villes de Madagascar (AMGVM)”, hatao any Antsirabe, ny 23-25 aogositra ho avy izao. Hodinihana koa ny fitaterana an-tanàn-dehibe, ny fanafainganana ny taratasy amin’ ny alalan’ny haitao ampitain-davitra…

Partager sur: