Omby, harem-pirenena anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara hatramin’ny taonjato maro. Nalaza ny hoe maro anisa ny omby no ho ny olombelona. Tantara sisa izany amin’izao fotoana. Mbola mipetraka ireo tsenan’omby goavana eto an-tanindrazana.
Misy ny tsenan’omby lehibe indrindra eto Madagasikara ny any Atsimo, lalam-pirenena faha-7, ao Ambalavao. 56 km avy eo Fianarantsoa, 480 km miala eto an-drenivohitra, faritra Betsileo, ahitana ny foko Bara, malaza amin’ny fiompiana omby. Mampalaza azy koa ny voaloboka fanaovana divay, ny « papier Antemoro », sy ny lamba landy. Be mpitady sy fananan’olona manan-katao ny karazan’omby be trafony sy misy tandroka mijoalajoala (zébu), endriky ny fianakaviana iray manankarena. Handravahana ny eny ambonin’ny fasana ny tandrok’omby. Ara-tantara, midika fa manankarena ilay olona tompon’omby nindaosin’ny fahafatesana, arakaraka ny habetsaky ny tandrok’omby eny ambonin’ny fasana. Laharam-pahamehana amin’ny faritra maro, indrindra ny any ambanivohitra, entina amin’ny lanonana (an-kafaliana sy an-karantsiana).
Miavaka ny tsenan’omby ao Ambalavao. Tonga tsikelikely avy amin’ny toerena lavitra ireo mpiompy, mandroaka omby am-polony miditra ao am-bala mirefy 2 ha mba hamidy. Ahitana mpividy avy amin’ny faritra maro. Amin’izao fotoana izao, mihena ny isan’ny omby. Manodidina ny 800 ny omby tonga ao an-tsena isan-kerinandro, raha tany amin’ny 10 taona lasa nisy 2 500 izany.
Manodidina ny 3 hetsy Ar hatramin’ny 2 tapitrisa Ar ny vidin’ny omby, arakaraka ny hangezany sy ny karazany. Miampy sarany hafa (haba alain’ny kaominina, saram-pitaterana, sakafo …) izany. Isaky ny Alarobia ny tsena.
Miandry iray volana vao mahazo omby izay ilaina ao Miandrivazo
Azo lazaina fa renivohitry ny tsenan’omby ao amin’ny faritra Menabe, nandritra ny taona maro, i Miandrivazo. Tsy malaza intsony izany noho ny asan-dahalo nandritra ny fitondrana maro nifandimby. Maro ny namoin’ny ainy sy very harena , tsy hita izay tohiny hatramin’izao na lazaina aza fa misy fanadiovana sy fanenjehana dahalo.
10 taona lasa, ny tsena ao Miandrivazo manokana mampiditra omby 100 hatramin’ny 150 isan-kerinandro avy amin’ireo kaominina manodidina. Nahitana mpamongady mpividy omby matanjaka avy aty Antananarivo taloha. Mpividy omby iray nilaza fa tsy midina any Miandrivazo isan-kerinandro intsony ny tenany amin’izao fotoana.
Manodidina ny 20 na 30 ny omby tonga ao an-tsena isan-kerinandro. « Miandry iray volana vao mahazo izay omby ilaina. Midika fandaniana hafa ny fiambenana ary fanarahana ireo omby. “Ny mpitandro filaminana sasany tsy antenaina”, hoy io mpividy omby io.
Fahasahiranana hafa, zara raha mahita veterinera mitety kaominina any ambanivohitra maro, mba hanao vaksiny. Ilaina amin’ny biby fiompy rehetra izany fa tsy ny omby ihany. Misy sampandraharam-panjakana momba ny fiompiana ao an-toerana, saingy tsy mahafa-po ny asany. Tsy ampy olona, tsy misy fitaovana. Mihavitsy ny omby ka antony mahalafo ny henan’omby ho an’Antananarivo.
Omby maro ravan’ny dahalo
Eto Madagasikara, fomba amam-panao tamin’ny faritra sasany ny halatra omby. Tsy kisendrasendra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra mitondra anarana “ Barea”, karazana omby. Amin’ny vola malagasy, mbola misy taratry ny lohan’omby. Manana ny lazany ny omby. Tsy heverina ho tena lehilahy mahavelom-bady ny tovolahy raha tsy mangalatr’omby. Saingy tato anatin’ny taona maro izay, noho ny krizy ara-toekarena sy politika, lasa asan-jiolahy ny halatra omby, misy ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana, teo koa ny fanondranana omby velona. Ary tena manamafy izany ny “dahalo ambony latabatra”.
Fifanatrehan’ny tompon’omby sy ny dahalo sisa amin’izao fotoana. Miafara amin’ny ra mandriaka ny tantaran’ny omby amin’ny faritra maro.
Andro maromaro avy amin’ny kaominina iray manesy omby an-tongotra, kilometatra maro vao tonga ao Tsiroanomandidy. Tantsaha iray mety mitondra omby 50 na 100 mahery. Mivimbina fitaovam-piadiana, antsibe, lefona, na basy ny tompon’omby , mailo dia mailo, hiatrehana dahalo eny an-dalana.
Omby aman’arivony isan-taona, ohatra, avy ao Antsalova mankany Tsiroanomandidy. Ravan’ny dahalo, andro iray, ny omby aman-jatony amin’io lalana io na efa arahin’ny mpitandro filaminana aza … Raha tsy misy omby hangalarina, ny tanàna no doran’ireo olona ireo rehefa azony izay angalariny.
Nanatontosa :
R.Mathieu