Hetsika “Mandresy Madagasikara” : hoentina am-bavaka ny firenena

Nanomboka omaly, tany an-tendrombohitra Ambon­drombe ny hetsika “Mandresy Madagasikara”, karakarain’ny Von­drom-bavaka dian’ny finoana (Vdfi). Hotanterahina manerana ny faritra 15 eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice izany manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny fitondrana am-bavaka ny firenena, indrindra amin’izao vanim-potoana fifidianana izao izy ireo. “Vavaka ho an’ny mpitondra sy ho an’ny firenena ary mba ho tanteraka izay ho sitrapon’Andriamanitra amin’ny fifidianana, izay maha zava-dehibe ny hetsika”, hoy ny mpanorina ny fikambanana, Rakotomalala Vahatriniaina. Hanatante­raka izany ireo mpihira evanjelika 28 eto an-toerana. Niforona ny 2002 ny fikambanana. Tsy fiangonana, fa anaty fiangonana avokoa ny mpikambana ary tsy tohanan’ny mpanao politika. Natao teny amin’ny tanànan’Imerintsiatosika nandritra ny 10 taona hatramin’izay. Nandeha tany amin’ny faritra sy tany ivelany, nanomboka ny 2012. Niresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Pho Resto Ankorondrano, ny solontenan’ireo mpanakanto evanjelika, mandray anjara (Rija Rasolon­draibe, Joseph d’Af, Antsan’i Kristy, Rojo Ny Avo…), ny 16 aogositra lasa teo.

Mino

Partager sur: