Nifanehatra tamin’ireo miaramila mpampandry tany anatin’ny hetsika « Tselatra » sy ireo antoko voalohany ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Matitanana, afakomaly. Tao an-tanànan’i Lohamanga, fokontany Fenoarivo 2, kaominina ambanivohitr’i Labohazo, distrikan’i Farafangana. Teo am-piomankomanana ny hanao fanafihana ireo jiolahy antsoina hoe Tsedy sy Tsaravela no nifanehatra tamin’ny miaramila. Naharay antso momba ny fisian’ireto jiolahy ireto ny mpampandry tany ka nidina tao an-toerana ka izao tratra izao ry zalahy. Nohodidinin’ireo miaramila ny trano nitobian’ireto olon-dratsy. Niezaka nitsoaka tany anaty ala mikitroka ihany anefa ry zalahy. Raikitra ny fifanenjehana ka lavo nandritra ny fifandonana ireo jiolahy raindahiny ireo. Basy vita tanana iray sy mohara ary fonosana rongony no hita teny an-tanan’izy ireo. Maro ny fanafihana efa vitan’izy ireo tao amin’ny distrika Farafangana, araka ny tatitra nampitain’ireo mpampandry tany.
J.C