Hangotraka ny lalao famaranana, hiadiana ny amboaran’ny Filoha. Fihaonana, hatao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, rahampitso alahady. Hamarana izany Antananarivo sy Toamasina. Ekipa efa diso mifankahalala tsara satria iray vondrona tany amin’ny fifanintsanana. Nisaraka ady sahala 1 sy 1, tamin’izany. Tsontsorimamba isarahana izany ity famaranana ity. Samy manana mpilalao kalaza sy havanana avokoa ny an-daniny sy ny an-kilany ka ho sarotra ny hahalalana izay ho mpandresy amin’ity. Hiady ny lalao fa miantso ireo mpijery ho tonga hanohana ny faritaniny avy ireo mpilalao. Maimaimpoana rahateo, ny fidirana. Hanotrona ny lalao ny filoha Andry Rajoelina, ary hanolotra lelavola sy amboara ho an’ny mpandresy.
Tsy ho diso anjara anefa fa samy hahazo ny anjarany avokoa ireo faritra enina nandray anjara, tamin’ity fiadiana ny amboaran’ny filoha ity. Ankoatra izay, hisy hetsika samihafa atao ho an’ny fianakaviana ho avy hijery izany lalao izany. Hahita ny Barea, hanao fanazarantena, amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy ihany koa ireo mpijery ho tonga ao Mahamasina. Fotoana, hitsofana rano an-dry zalahy.
Hatao amin’ity sabotsy ity, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium ny fiadiana ny laharana fahatelo, hifandonan’i Fianarantsoa sy Antsiranana.
Torcelin