Hitana ny sain’ny rehetra amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona, taranja baolina kitra. Fihaonana, hifandonan’ny Elgeco Plus sy ny Gaborone FC, eo amin’ny lalao savaranonando mandroso.
Hotanterahina anio sabotsy, manomboka amin’ny 5 ora hariva (ora Malagasy) ao amin’ny kianja Gaborone National Stadium, ny lalao savaranonando mandroso, hiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona (CAF), taranja baolina kitra. Fihaonana, hifanandrinan’ny Gaborone United FC sy ny Elgeco Plus. Efa any an-toerana nanomboka ny alakamisy lasa teo, ny delegasiona malagasy.
Salama tsara avokoa ireo mpilalao ary vonona hiatrika an-dry zareo Gaborone ny Elgeco Plus. Nanambara i Raux Auguste, mpanazatra, fa tsy hiaro tena fa tena hanafika hitady fandresena no tanjona amin’ity, lalao voalohany ity. Na izany aza, hiezaka tsy hidiram-baolina. Hiankina amin’ny endri-dalao entin’ny mpifanandrina ny hametrahana ny taktika, araka ny fanamarihany.
Tsiahivina fa manatevina ity ekipan’ny Elgeco Plus ity, i Feno, mpilalaon’ny Ajesaia. Lohalaharana ny toerana misy azy. Lesoka ho an’ny Elgeco Plus hatrany mantsy ny famonoam-baolina ka izay ny antony niantsoana azy. Hiverina rahampitso alahady, ny Elgeco Plus, raha tsy misy ny fiovana ka hanomana avy hatrany ny fihaonana miverina hatao ny alahady 27 aogositra, ho avy izao. Amin’io lalao miverina io, vao hanampy azy ireo, i Tendry, mpilalaon’ny Disciples FC, araka ny tati-baovao hatrany.
Tsy mbola fantatra kosa na eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium By-Pass na eo amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny hanaovana ny lalaon’ny roa tonta. Mbola miandry ny fankatoavan’ny CAF ny kianja Elgeco Stadium mantsy vao afaka mandray fihaonana iraisam-pirenena, io fotodrafitrasa vao notokanana io.
Tompondaka