Napetraky ny filoha Rajoelina, omaly, ny vato fototra, hanombohana ny asa fanamboarana ny tetezan’i Mangoky, any amin’ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9), faritra Atsimo Andrefana. Lava indrindra eto Madagasikara ity tetezana ity satria mirefy 878 m. Hanao ny asa ny orinasa sinoa, CRCC. Mamatsy vola ny Tahirim-bola saodiana ho an’ny fampandrosoana (SFD), ny Tahirim-bola koesiana ary ny Fanjakana malagasy. Mitentina 147 116 824 664 Ar ny vola hanamboarana azy. Haharitra 31 volana ny asa. Nanatrika ny fotoana koa ny tale jeneralin’ny faritra Afrika, SFD, Mohammed Alshammari. Baka hatramin’izay no fomba niampitana ny reniranon’i Mangoky, taritin’olombelona efa tsy nisy motera. Maharitra adiny iray hatramin’ny adiny 4 ora ny fiampitana arakaraka ny fisian’ny baka. Any Analamisampy no misy azy ary mampitohy hatrany Manja. Tsy afaka ampiasaina ny baka rehefa fahavaratra satria miakatra ny rano.
Njaka A.