Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena-DNEPM: namaritra ny fomba hisorohana ny fivoahan’ny laza adina mialoha

Nodinihina manokana ny anjara andraikitry ny tsirairay momba ny fivoahan’ny laza adina mialoha ny fotoam-panadinana izay mateti-pitranga tato ho ato ka manimba ny lentan’ny fanadinam-panjakana. Tokony hahazo sazy mavesatra ireo voamarina fa nandray anjara tamin’ny famoahana ny laza adina mialoha. Nanambara ireo solontenan’ny “directions nationales” 10 fa ilaina ny manofana ny mpampianatra amin’ireo sekoly tsy mi­ankina amin’ny fanjakana satria nisy ny taranja sy sokajy vaovao nampidirina nefa tsy nisitraka fiofanana afa-tsy ireo mpampianatra eny amin’ny lisea miankina amin’ny fanjakana ihany.
Tsapa fa be loatra ny sekoly misokatra eny rehetra eny amin’izao fotoana izao ka mila arahi-maso ny fanomezana ny fahazoana hisokatra sy hampianatra. Ny mpampianatra rahateo tsy mahazo mampianatra raha tsy nanao fiofanana momba ny pedagojia sy nahazo ny fahazoan-dalana hampianatra na manana ny mari-pahaizana takina aza, hoy ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara.
Ao anatin’ny lalàna vaovao momba ny fanovana ny rafi-pampianarana dia manipika fa ny fanjakana irery ihany no afaka manofana mpampianatra ary tsy ankatoavin’ny fanjakana ny fanofanana ataon’ny sehatra tsy miankina. Hatramin’izao, mbola manankery ny “décret” sy ny “arrêté” teo aloha rehetra satria mbola miandry ny lalàna vaovao.
Napetraka koa fa tokony hisy ny fitohizan’ny asa na miova aza ny mpitantana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, hampahomby ny fanabeazana eto amintsika.

Vonjy A.

Partager sur: