Notontosaina teny amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, afakomaly, ny lanonana ara-miaramila nanolorana mari-boninahitra ireo tomponandraikitra telo mirahalahy miasa eo anivon’ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara.
Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, no nitarika ny lanonana, notronin’ny mpiandraiki-draharaha ao amin’ny Masoivoho Amerikanina, Ann Williams, nisolo tena ny ambarasadaoro. Ho fankasitrahana ny asa vitan’izy ireo ho an’ny Tafika Malagasy, notolorana ny « médaille de la défense nationale » avokoa izy telo mirahalahy. Nampiakarina ho eo amin’ny laharan’ny « Officier de l’ordre du mérite de Madagascar » ny commander Jorge Garcia, « Chevalier de l’ordre du mérite » kosa ho an’ny lieutenant commander Ty Jebeck Ruun sy Nampoina Razafimandimby. Nahavita ny fe-potoam-piasany teto Madagasikara ireto tomponandraikitry ny fiarovana eo anivon’ny masoivoho amerikanina ireto. Nanome tanana hatrany ny Tafika Malagasy teo amin’ny sehatra maro izy ireo tamin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny masoivoho amerikanina sy ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Anisan’izany ny fizarana traikefa sy fahaiza-manao amin’ny fampiofanana, toy ny fanolorana boky ho an’ireo mpianatra teny anglisy eo anivon’ny ivontoeram-panofanana teny vahiny ao amin’ny minisitera. Teo koa ny ady amin’ny jiolahin-tsambo sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana tamin’ny fampitaovana sy fampiofanana ireo mpiantsehatra amin’ny fahasalamana miaramila.
Jean Claude