Mponina 1 800 000 voatsinjo: natomboka ny asa fanatsarana ny fitantanana ny fako eny Andralanitra

Hitondra fivoarana tsara ho an’ny fahadiovan’ny rivotra eto Antananarivo ny fanatsarana ny fitantanana ny fako eny Andralanitra. Hifarana ny taona 2026 ny tetikasa ary hanohana amin’ny fahazoana fitaovana enti-miasa ny Japone.

Natomboka omaly ny asa ho fanatanterahana ny andiany faharoa amin’ny tetikasa « Gesda » na Fanatsarana ny fitantanana ny fako ho an’Antananarivo. Mahakasika ny fampiasana ny toerana fitobiam-pako eny Andralanitra. Ny te­tikasa « Gesda », fanatsarana ny fitantanana ny fako ho an’ Antananarivo, izay fiaraha-miasan’ny governemanta ma­lagasy sy ny governemanta japone, nankatoavina sy nosoniavina ny 15 jona 2022. Tetikasa fanohanana an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fanadiovana, natomboka ny 22 febroary lasa teo, araka ny fanazavana.
Mitsinjo mponina 1 800 000 eto Antananarivo ny tetikasa. Tanjona ny hanatsara ny fanangonana sy fitaterana ny fako, ny fahaizana mitrandraka sy mitantana ny toeram-pitobiam-pako izay vahaolana akaiky sy maharitra, ho fitantanana mendrika ny fako. Hifantoka amin’ny lafiny maro ny asa fanatsarana an’Andra­lanitra. Voalohany ny fanamboarana ny lalana mankany amin’ny toby, famerana ny fikorianan’ny rano maloto, fampiharana ny teknika “fukuoka”, ary ny fiarovana ny rindrina andrefana mitady hianjera. Tafiditra ao koa ny fitantanana ireo mpitsindroka fako eo amin’ny toby.
Efa-taona ny faharetan’ny tetikasa
Efa-taona ny faharetan’ny fiaraha-miasa teknika, manomboka izao ka hatramin’ny taona 2026 izany. Tanjona ny hanatrarana ny vokatra “ny Tondrozotra Madagasikara madio” amin’ny tanàn-dehibe, hamerenana ny fahadiovana sy ny tontolo iainan’ny mponiana eto Antananarivo. Nisy ny lanonana ofisialy, notarihin’ny tale jeneralin’ny Fanadiovana sy ny fidiovana eo anivon’ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, Mandimbisoa Kléoni; ny ambasadaoron’i Japana, Abe Koji, sy ny solontena maharitry ny JICA, Tanaka Kaori; ny ben’ny Tanànan’Antanana­rivo, Andrian­tsito­haina Franck Michel Niaina, ary ny solontena avy ao amin’ny Société municipale d’assainissement (SMA), Randriamanantena Nomenamaharavo, omaly, teny Andralanitra.
18 ha ny velaran’ny toby fametrahana fako eny Andralanitra. Nanomboka nampiasaina tany amin’ny taona 1960. Efa mahatratra hatramin’ny 20m ny haavon’ny fako mivangongo ao ankehitriny ary olona 1 500 ireo mpitsindroka fako mivezivezy ao.

Vonjy A.

Partager sur: